Song Page - Lyrify.me

Lyrify.me

Tanalahy Ny Foko by Mahaleo Lyrics

Genre: pop | Year: 2020

Izay mena valala
Izay tiana malala
Nefa ianao raha te-hiala
Dia aza misalasala

Hatrizay ianao
No tompon'ny safidy
Izay tianao no natao
Satria anao ny didy

Nefa tanalahy ny foko, mahay miova loko
Nefa tanalahy ny foko, mahay miova loko

Raha ny tany malemy
Azo anorenam-pangady
Feno eny rehetra eny
F'izaho no tsy te-hitady

Nefa raha tianao izany
Dia sahiko ny milaza
F'izao dia izao ihany aho
Hahita ny sahaza
Satria tanalahy ny foko, mahay miova loko
Satria tanalahy ny foko, mahay miova loko

Tsy ny masoandro matory
No hahafoana ny taratra
Ny volana koa anie boribory
Mirehitra fatratra

Ianao no handeha
Soava dia, mahereza
Ny tia ahy be dia be
Be ny mpitady seza

Satria tanalahy ny foko, mahay miova loko
Satria tanalahy ny foko, mahay miova loko

Nefa aza manantena
F'izaho no hitomany
Na hiantso hoe miverena
Nofinofy izany

Fa fanajana anao
No nampipetraka ahy
Ianao indray no te-handao
Oay, soa ihany lahy
Tretrika, tretrika ny foko, hahazo hiova loko
Tretrika, tretrika ny foko, hahazo hiova loko