Song Page - Lyrify.me

Lyrify.me

Tiako loatra by KARMELA Lyrics

Genre: pop | Year: 2019

Tiako loatra ny anilanao
Raha eo ianao tsy anan-tahotra aho
Ny làlanao no hizorako
Androso tsy amin’ahiahy tokoa

Mandravina ireo mikitotona
Mampihetry hatrany ireo havoana
Manao làlana ho ahy ianao
Manisy varavarana
Hivoha ka tsisy haharindrina ho ahy
Ny tànanao ry Ray

Anjarako ny midera Anao
Manandram-peo mankalaza Anao
Horakoram-pifaliana aho
Mpandresy ao Aminao
Hiraiko mafy ny Anaranao
Hotanisaiko ny Hatsaranao
Ny fandresena efa Nomenao
Fa ny ady dia Anao