Song Page - Lyrify.me

Lyrify.me

Doudou by Bolo Lyrics

Genre: misc | Year: 2019

Tsy andaniako fotoana intsony lesy ty
Na vola ividianana crédit
Na ho ela na ho aingana tsy maintsy hifankahita ho'aho
Rehefa te hifankatia
'Lay facebook toa hodiany fanina
Aleoko to' dia tongavana any an-tranony
Matahoatra ihany sao hosivaniny
Fa rehefa tsy tia koa aloha dia mijanona

Fa 'lay hikobona aloha toa mafimafy ihany eee
Sao ho lasan'ny tompony ianao indray andro any eee

Rehefa handondona ela be dia tsy ho vohainy aho ve?

Roa maka bahana, telo dia lasa
Manao manimanitra, im-polo misasa
Raha mety ny tantana tonga dia miasa
Hanatanteraka izay mba kinasa
Aodyyy ooo!!!
Ah doudoudou,aka doudoudou!
Tsy nety nivoha
Raha azo natao dia ni-saute tamboho
Nefa 'zaho tsy tonga ny hangalatra koa
Fa tonga hangataka aloha sao dia mba mahazo ihany eee!
'Zay voatsirambin'ny fonao zarao raha mbola tsy lany eee!

Efa mandondona ela be ka mba vohay aho re! (aka doudoudou!)

Kanefa tsy misy na mpanarangarana
'Zaho moa tsy niala teo am-baravarana
Saika hikiaka aho hiantso ny anarany
Hoy aho oe "Ndeha hody aho ny farany..."
Iny aho no lasa fa ohatra ny mampihomehy
No injay fa naneno 'lay lakile
Dia nivoaka izy sady vonona be
'Ndao aho hoy izy mba ento mandehandeha

D'efa nentiko nankany Ambatolampy tany eee!
Nividianako ovy mafana roa vilany eee!
Nentiko nankany Ambatolampy tany eee!
Nividianako ovy mafana roa vilany eee!
Aka doudoudou!

Rehefa handondona ela be dia novohainy aho eee!(aka doudoudou!)
Rehefa handondona ela be dia novohainy aho eee!(aka doudoudou!)
Rehefa handondona ela be dia novohainy aho eee!(aka doudoudou!)
Rehefa handondona ela be dia novohainy aho eee!(aka doudoudou!)
Nentiko nankany Ambatolampy tany eee!
Dia nividianako karoty mafana iray vilany eee
Efa nentiko nankany Ambatolampy tany eee!
Dia nividianako karoty mafana lany eee
Aka doudoudou!

Rehefa handondona ela be dia novohainy aho eee!(aka doudoudou!)
Rehefa handondona ela be dia novohainy aho eee!(aka doudoudou!)
Rehefa handondona ela be dia novohainy aho eee!(aka doudoudou!)
Rehefa handondona ela be dia novohainy aho eee!(aka doudoudou!)

Novohainy aho e, novohainy aho ho'aho!
Novohainy aho, novohainy aho ho'aho!
Novohainy aho e, novohainy aho ho'aho!
Novohainy aho ho'aho!

Aka doudoudou!

Novohainy aho e, novohainy aho ho'aho!
Novohainy aho, novohainy aho ho'aho!
Novohainy aho e, novohainy aho ho'aho!
Novohainy aho ho'aho!

Aka doudoudou!