Song Page - Lyrify.me

Lyrify.me

Ndao hihira by Bessa sy Lola Lyrics

Genre: pop | Year: 2019

Ho anao sahiran-tsaina
Sendra zava-tsarotra;
Aza de miferin'aina
Ndrao vao maika mihaimotra

Manefe saina mijoro
Mafy matanjaka;
Ka reseo ny horohoro
Dia meteza mba hitraka

Ndao hihira(2)
Hira tsotra no hiraina
Ndao hihira (2)
Hiran'ny fitiavana

Na ny fifaliana mazana
Tselatra f'hifarana;
Fa raha tianao ny hitàna
Ao am-po ny hazavana
Angalao hanolokolo
Ny finoana marina;
Fa izay rava eo mbola hisolo
Andro hafa hifaliana
Mbola ao koa ny mahory
Ny kitroan'aizina;
Tsy dia vaovao io akory
Fa iobonan'ny miaina
Saingy injay mangirifiry
Tratrin'ny famoizana;
No mba irario mba hikiry
Tsy ho kivy, f'hanantena