Song Page - Lyrify.me

Lyrify.me

Maty by Bessa sy Lola Lyrics

Genre: pop | Year: 2019

Maty ilay mpivaro-tena

Maty tsy nisy mpanontany

Maty tsy nisy mpahonena

Maty tsisy mpitomany



Ny mpivavaka nandalo

Dia nisaotra ny andriamaniny

Fa afa-doza nampimalo

Hono izao ny tany maminy



Tsy mba olona tomefy
No namoaka izany faty

Fa tovovavy jefijefy

Na fiaina na fitafy



Ny iray niantso an’Andriamanitra

Vatambatana fiteny

Omeo azy re ny lanitra

Fa ampy izay ny afobeny



Omeo azy re ny lanitra

Fa ampy izay ny afobeny