Song Page - Lyrify.me

Lyrify.me

Ny Tompo momba anao by AMAF Lyrics

Genre: pop | Year: 2019

Ianao ilay hoe tsy manam-piahy

Amin'izao fiainana izao

Matokia dia aza manahy

Fa ny Tompo momba anao

Ianao ilay hoe mosarena

Diso anjara fitiavana

Ho anao ny famonjena

Dia ilay tena havana



Fiv :

Fa ny Famonjen’i Kristy
Manome fiainam-baovao

Manasitrana ny fo

Naratran'ny adim-piainana tety



Koa raha mandeha miampita ny ony

Tsy hanafotra anao izy anie

Aza miherikerika intsony

Fa ny Tompo momba anao

Aza ataonao ho irery ianao

Raha manary anao ny havanao

Ny olombelona no mandao

Fa ny Tompo momba anao